Ny Solfa

Published on 10/27,2008

 

Miarahaba antsika rehetra mpitsidika.

Tsy fampianarana Solfa akory no hataoko eto amin'ity sehatra sady tsy mbola mahafehy tsara azy io aho.

Rahefa nikarokaroka eraky ny tranokala aho dia tsy dia nahita firy resaka momba ny solfa (na izaho no tsy mahay mitady). Araka ny tenin'ilay mpampianatra anay izay dia isika malagasy irery angamba sisa no firenena mampiasa ny solfa.

Hizara dikan-kira misy solfa ary no tena ho atao eto ("partition"), araka izay hananako ao amin'ny arsiva ao. Ary iangaviko antsika namana izay manana koa mba hizara izay ananany.

Tsy haiko loatra moa ny zon'ny mpamorona amin'izy ireny. Nefa hiran'Antoko Mpihira moa no matetika voadika amin'ny solfa, ka inoako fa tsy dia hisy fahasarotany loatra ny famoahana izany eto.

Dia mirary soa ho antsika rehetra eo am-pamakiana.

Pkm


Hevitra


Hametraka hevitra